Faly sy ravo ireo solontenan’ny Mpanjono izay Tonga nifanakalo tamin’A/toa Minisitra satria vao Voalohany tokoa no Nisy Minisitra Tonga nijery azy ifotony toy izao. Mety hitondra fiovana be ho an’ny tokantranon’ny mpanjono tsirairay hoy izy ireo izao fahatongavan A/toa Minisitra izao satria na dia Lavitra aza no Nisy azy ireo dia tsy nanakana ny tenany izany .Marihina fa manodidina ny 275 eo izy ireo Raha atambatra .
Ny tena nahafinaritra nandritra ny fifampiresahana kosa hoy A/toa Minisitra dia Efa hain’izy ireo sahady ny Zavatra ilainy toy ny « tableau agro-meteorologique » , ny filet multi-filaments , palangre, « machine de fabrique de glace »sy ireo fitaovana maro samihafa entina hampiroboroboana ny sehatry Jono ao an-toerana. Tsara ny Manamarika fa miara-misalahy amin’ny fampandrosoana ity sehatry ity ny avy eo anivon’ny ONG Vima ( #VisionMadagascar) izay miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpanjono sy ny Ministera Ary ao anatin’izany ny fifanomezan-tanana izay samy mitondra ny anjara birikiny avy.
Fehiny ny fiarovana ny tontolo iainana , ny fitantanana maharitra ny ranomasina Ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono izay hiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpanjono no tena nasongadina nandritra ny fifampitafana Teo amin’ny roa tonta .
