Tontosa tao amin’ny Lycee Technique, Distrikan’ny Taolagnaro, Faritra Anôsy ny faha 30 Aogositra 2025 ny fampiofanana momba ny fitaizana Lalitra Hendry na ny « Black Soldier Fly », BSF, izay nahitana mpandray anjara miisa 14 mianadahy.
 Tanjona ny ho fanampiana ny mpiompy amin’ny alalan’ny famokarana sakafo-trondro sy akoho amam-borona amin’ny alalan’ny famokarana olitra azo avy amin’ny fiompiana #BSF.
Mora ary azo atao tsara ity fiompiana lalitra ity satria dia hita any an-toerana avokoa ireo akora mety hilaina toy ny fako an-tokantrano, ny voankazo lo sy ireo hafa izay azo avadika ho sakafon’ity lalitra ity.
Resy lahatra ireto mpiofana ary naneho ny fahavononany amin’ny hirosoana amin’ny fiompiana an’ity karazana lalitra ity. Nambaran’izy ireo fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana ity fomba vaovao ity ary antenaina hampiroborobo ihany koa ny famoronana asa ho an’ny tanora eto amin’ny Faritra Anosy.
Ity hetsika ity dia vokatrin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fikambanana #TANAMAINTSO sy #FANASAGRI, Ny #Sekoly_Fampiofanana_Arakasa ary ny #DRPEB_Anosy.
#MPEB

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *