Manankarena hazandrano tokoa raha ny Faritra Melaky.Izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB # nanangana fotodrafitra goavana hahafahana mitahiry ireo vokatra ireo mba tsy ho simba.
Hoentina ihany koa hampiakarana ny fari-piainan’ireo mpanjono eny ifotony .Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Distrikan’Antsalova sy Maintirano ny « Complexe Pêche » miisa 2 sy ny « Chambre Froide » anankitelo izay hampiasain’ireo fikambanan’ny mpanjono ANJARASOA any an-toerana.
Tonga nisolotena ny MPEB nanolotra izany ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB_Melaky notronin’ny avy eo anivon’ny Faritra,ny Prefecture, ny solotenan’ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana ary ny avy ao amin’ny Kaominina Maintirano sy Soahany.Miendrika « location Gérance » ny fitantanana ireto foto-drafitrasa ireto mba hampaharitra azy sy mba hampiakadanja ara-toekarena sy ara-bidy ny fitrandrahana ny harena anaty rano any an-toerana ho tombontsoan’ny besinimaro indrindra fa ireo mpanjono madinika.
