ย  ย  ย  Tanterahina ny 03 ka hatraminโ€™ny 04 Septembra 2025 izao ao amin’ny NOVOVOTEL,Antananarivo ny โ€œ Dialogue National sur la mise en ล“uvre du programme de dรฉveloppement du rรฉseau des aires de conservation transfrontaliรจres (#TFCA) de la SADC ร  Madagascar โ€. Fantatra fa ny firosoana aminโ€™izany dia hiarahana aminโ€™ireo firenena rahavavy mifanolo-bodirindrina izay mpikambana ao aminโ€™ny SADC noho izy apetraka eo aminโ€™ny toerana iraisanโ€™ny firenena roa na telo na mihoatra.Ho anโ€™i Madagasikara izay Nosy ka raha hiroso aminโ€™izany dia tsy maintsy any anaty ranomasina no afahana mametraka izany.
ย  ย  ย  Izany indrindra no antony andraisanโ€™ny Ministeranโ€™ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara mavitrika ao anatinโ€™ity fifanakalozan-kevitra ity ka tonga nandray anjara taminโ€™ny fanokafana anโ€™izany A/toa Minisitrinโ€™ny Jono sy ny Toekarena Manga notroninโ€™ireo mpiara-miasa aminy niaraka taminโ€™A/toa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ary R/toa Minisitry ny Fizahan-tany.
ย  ย  ย  Izany rehetra izany dia tafiditra ao aminโ€™ny fanatanterahana ny fifanarahana izay iraisana aminโ€™ireo firenena mpikambana ao aminโ€™ny SADC ka antenaina fa ny firosoanโ€™i Madagasikara aminโ€™izany dia hitondra tombontsoa marolafy hatrany ho anโ€™ny firenena sy ny vahoaka ao anatiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *