Nandritra izany no nanaovana ny tomban’ezaka telo volana fahatelo ny taona 2025, ny fampahafantarana ny drafitrasa niarahana namolavola tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Vakinankaratra hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny sehatry ny Jono sy Fampamokarana ny Atirano, ny fampahafantarana ireo andinin-dalàna mila fantarina makasika ny Jono an-dranomamy, ny fampihofanana momba ny adisisika sy haitarika, ny fampahafantarana ireo mpanamahay voafantina hanatanteraka ny asa fanavaozana ny bokinandraikitry ny VOI MMFT, ary ny fandinihana ireo AGR hiatrehana ny fikatonan’ny rano.
     Voasolo tena tamin’ny alalan’ireo mambra ny birao tsirairay ny VOI miisa 05 dia ny TAMIA Andranobe Atsinanana, MMFT Andranobe Andrefana, FITAMI Tatamarina, FIMPAFA Andraikiba kely, FIAMI Manandona izay mandrafitra koperativa FIFIMPAVA ary nizotra tamim-pirahalahiana tanteraka ny fivoriana.
     Nisongadina nandritra ny atrikasa ny drafitrasa hiatrehana ny telo volana manaraka. Isaorana hatrany ny ekipa rehetra sy ny #FANAINGA+ amin’ny fiaraha-mientana.
#MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *