Hitohy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao, Beheloke ary Efoetse ny fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fihariana anaty rano ary ny Fanangonam-bokatra. Ho tanterahina mandritra ny valo andro eo izao hetsika izao izay atao ao amin’ireo Fkt miisa 10 dia ny Fkt : Kilimivony, Ambahivahy, Ampasinabo, Belemboke, Kilibory, Kalindrano, Marofijery, Behazomby, Efoetse ary Maromitilike.
Ny tanjona amin’izao fanentanana izao dia ny mba hampahafantarana ireo mpanjono sy mpanao kinanga ary mpanangom-bokatra ireo tsara ho fantatra mikasika ny lalàna mifehy ny Jono sy ny fanangonam-bokatra ary koa mba hampihenana ny tsindry mahazo ny Jono.
Tonga nandray anjara tao anatin’izao hetsika izao ny teo anivon’ny DRPEB Atsimo Andrefana, ny CSP, DREDD ary ny MNP. ny ONG WWF-Marin avy ao Toliara no nanohana ara-bola nahafahana nanatanteraka izao fanentanana izao.
