Β Β Β Ny toekarena manga izay ahitana ny sehatra fitaterana an-dranomasina, fitrandrahana solika ambany ranomasina,ny fizahan-tany, ny ny jono ary ny fampamokarana ny atirano dia manana anjara toerana lehibe aminβny fampandrosoana ny toekarena anβi Madagasikara. Anisanβny andraikitra lehibe sahaninβny Ministeranβny Jono sy ny Toekarena Manga manokana ny fandrindrana sy fampiroboroboana izany toekarena Manga izany sy ny fitantanana ny ranomasina eto Madagasikara.
Β Β Β Aminβny ankapobeny dia misy ireo dingana efa vita toy ny fametrahana ireo drafitra sy paikady nasionaly fampiroboroboana ny toekarena manga tao anatinβizay 4 taona nijoroanβny Ministera izay ka ilaina arakβizany ny fametrahana tondro ahafahana mandrefy ny fivoaranβizany toekarena manga izany sy ny fandrefesana ny fampiharana ireo paikady napetraka.
Β Β Nisy arakβizany ny atrikasa nasionaly izay natao tao aminβny Hotel Colbert, Antananarivo, androany 04 Septambra 2025 , atrikasa mikasika ny fampahafantarana ny fitaovana entina handrefesana ny fampiroboroboana ny toekarena manga maharitra na (πΌππππππ§ ππ ππ§πΜπ¨ππ£ππππππ£ πβπͺπ ππͺπππ π
βπΜπ«ππ‘ππππππ£ πππ’ππππππππ ππ π’πΜπππ£ππ’ππ πππππ πππ§ππππ β πππππππ¨πππ) izay ahitana ireo mpisehatra marobe ao aminβny Komity Marolafy ho aminβny fandrindrana ny Toekarena Manga (Cluster Economie Bleue) anisanβizany ny solontena avy aminβny ministera sy andrim-panjakana isan-karazany, ireo mpiara-miombonβantoka ara-teknika sy ara-bola, ny oniversite sy ny ivon-toeram-pikarohana, ny sehatra tsy miankina, ary koa ny solontenanβny fikambanana ifotony.
Β Β Ny tanjona dia ny hizarana sy hampahafantatra ilay fitaovana fanombanana vaovao, miaraka aminβny vokatra voalohany azo taminβny fampiasana azy manokana teto Madagasikara.
Β Β Β Aorianβizao atrikasa dia antenaina ny fisianβny fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaizanβireo mpandray anjara ary koa ny fametrahana sori-dalana sy drafitrβasa mazava tsara hanampy aminβny fandrindrana sy fanaraha-maso ny ezaka rehetra aminβny fampiharana ny paikβady nasionaly momba ny toekarena manga ary hiantohana fa ny fampandrosoana ny toekarena manga eto Madagasikara dia hahasoa ny firenena manontolo sy ny taranaka ho avy. Marihina fa ny WWF no nanao ny tantsoroka rehetra nafahana nanatontosa izao atrikasa izao.
