Miantoka ny fahombiazan’ny mpanjono amin’ny asa izay ataony ny fananany fitaovana arifomba.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga(MPEB) dia manao ny ezaka rehetra amin’ny fampitaovana azy ireo miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isankarazany.
Vokatry ny tantsoroka nomen’ny tetikasa Honko mamelonjafy »Pêche côtière Durable » izay vatsian’ny KFW Tetikasa mifanohana amin’ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB_DIANA dia nisy ny hetsika fizarana fitaovam-panjonoana isan-karazany hoan’ireo mpanjono madinika ny faha 02 Septambra 2025 teo tao amin’ny Distrikan’antsiranana II.
Nozaraina tamin’izany ny « Palangre »200 metatra sy kojakoja miaraka aminy 12 isa ary harato manara-dalana 60 isa niaraka tamin’ireo fitaovana enti-miandriaka toy ny salotra vonjy aina sy radio fahanana ary fitaratra 43 avy.Natolotra niaraka tamin’izany ihany koa ny kitapo enti- miandriaka 24.
Ireo rehetra ireo dia natolotra hoan’ireo mpanjono vao avy nahazo ny karatra maha mpanjono ka nanotrona izany ny teo anivon’ny DRPEB nizara izany ny avy amin’ny ao amin’ny Madagascar MNP izay mpiahy ny tetikasa ny avy ao amin’ny Conservation Internationale,ary ny solontenan’ny faritra ary ny ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovain-jafy DREED DIANA.
