RENALA : Io no anarana nosaloran’ireto mpianatra miisa 125 mianadahy nandritra ny Famoahana azy ireo Anio 5 septambra 2025 teny anivon’ny Oniversiten’ny Antananarivo izay nandranto fianarana Tao amin’ny Sekoly ambony hoan’ny Haifamokarana ESSSA « École Supérieure des Sciences Agronomiques » nandritra ny 5 taona .
Tonga nanome voninahitra nandritra izany A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay nanome hafatra Mafonja ho azy ireo amin’ny maha zava-dehibe ny #fampiharana ny #fahaizana noratovin’izy ireo entina fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra fa indrindra ho an’ny Firenena. Nohamafisiny ihany koa ny fa ilaina ny fandalovana an-tanatohatra eo amin’ny sehatry ny asa ahafahana mahazo #traikefa sy #fahaiza_manao bebe kokoa.
Teny an-toerana nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana A/toa Sergio HAJARISON .
