Tontosa ny faha 04 Septambra 2025 teo tao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Amoron’i Mania DRPEB Amoron’i Mania ao Ambositra, ny #fanaovan_tsonia ny « Convention sy ny Cahier des charges » teo amin’ny DRPEB Amoron’i Mania sy ny ONG TAFA (Tanora Antoky ny Fampandrosoana Aho). Fiaraha miasa izay mikasika ny #famindram_pitantanana ny Zone d’Émergence Piscicole (#ZEP) Ampivarotanomby Ambositra ho an’ny ONG TAFA izay hiasa ary ho mpitantana sy hampiroborobo ity fotodrafitrasa ho entina #hampivoarana ny #fiompiana_trondro ity.
      Hita taratra avy hatrany ny fahavononan’ireo tanora mpikambana ao amin’ny #ONG_TAFA hitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
      Ny tanjona voalohany dia ny #hamokatra #zanatrondro betsaka ary #hanaparitaka izany ao an-toerana sy ny faritra manodidina. Ity fiaraha-miasa ity dia anisan’ny vinan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB izay mikendry ny #hanamafisana ny #ady amin’ny #tsy_fanjarian_tsakafo sy ny #fampandrosoana #maharitra amin’ny alalan’ny #fampiroboroboana ny #toekarena_manga.
      Nanamafy ny tompon’andraikitra avy amin’ny DRPEB fa ity convention ity dia tsy vitan’ny hoe manome fahafahana ny tanora haneho ny fahaiza-manaony fa koa manokatra lalana ho amin’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ny ONG TAFA kosa dia nanambara ny fikasany hampiasa ny fahaizana sy ny fanoloran-tenan’ireo mpikambana ao aminy mba hiantohana ny fahombiazan’ny tetikasa indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny zanatrondro sy ny fampitomboana ny vokatra.
     Ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRPEB AMM sy ny ONG TAFA dia andrasana hitondra vokatra azo tsapain-tanana tsy ho ela, sady manome fanantenana ho an’ny hoavin’ny fiompiana trondro eto Madagasikara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *