Hitsinjovana ny mety ho fahasahiranana mandritra ny fotoana izay hikatonan’ny jono dia manao tahiry iombonana ireo mpanjono .Miovaova isam-paritra ny iantsoana io tahiry io toy ny VOAMAMI,Lakle 3 ka manara-maso izany ny solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB any an toerana .
      Misy fitsipika anatiny lanian’ny mpikambana tsirairay hamaritana ny faharetan’ny fotoana hitantanana (tsingerina) sy hizarana azy io .Araka izany dia tontosa ny faha 05 Septambra 2025 tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Manazary, Distrikan’i Miarinarivo ny fizarana ny « tsingerina » fahatelo nataon’ireo mpanjono mivondrona ao amin’ny #VOAMAMI Tafitasoa .Nahatsapa ireo mpikambana fa mahazo tombony avo roa heny anatin’ny tsingerina iray.
      Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa manampy azy amin’ny velontenany indrindra amin’ny fotoana ikatonan’ny fotoam-panjonoana ny fanaovana izany satria mameno amin’ny ampahany ireo banga ka tena maharesy lahatra tokoa ny fidinana tao aminy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *