Maniry ny te hiompy trondro ireo fianakaviana tantsaha ao Vohimasy, Distrikan’i Farafangana saingy tsy mahafehy ny teknika momba izany.Namaly avy hatrany ny hetahetan’izy ireo ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsimo Atsinanana ny faha 06 Septambra 2025 teo ka nanome fampiofanana izay narahina fampiharana ankianja mikasika ny fomba hisafidianana ny toerana azo iompiana trondro,ny teknika fanamboarana dobo ary ny famokarana zanatrondro.
      Miisa 15 izy ireo no maniry ny hampitombo ny fidiram-bolany mifototra amin’ny fiompiana trondro.Tanjon’ny ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga MPEB rahateo ny hizara fiofanana hoan’ireo tantsaha rehetra manerana an’i Madagasikara hampitomboana ny vokatra trondro azo jifaina ao an-toerana .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *