Mitohy hatrany ny ezaka tanterahin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB# miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy mikasika ny ady atao amin’ny# Pêche INN#. Araka izany dia misy ny atrikasa karakarain’ny Global Fishing Watch #GFW# nanomboka androany faha 09 Septambra hatramin’ny 12 Septambre 2025 ho avy izao momba ny fampiasana ny fitaovan’ny GFW hanamafisana ny fanjohina,ny fisafoana ary ny fanarahamaso (SCS) ny asa fanjonoana eo anivon’ny faridranomasin’i Madagasikara. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny Ministera Atoa TILAHY Désiré notronin’ny Tale Jeneran’ny Jono sy ny Fihariana anaty rano #DGPA# sy ny Tompon’andraikitra eo anivon’ny GFW.
Teknisianina avy amin’ny sehatrasa maro samihafa no miatrika izany toy ny avy ao amin’ny MPEB, ny CSP, GFW,ny APMF,ny MEED ary ny solontena avy amin’ny fiarahamonimpirenena.Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy hanafainganana ary hanatsarana ny atontam-baovao mikasika ireo sambo manjono tsy ara-dalana eo anivon’ny fari-panjonoan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny teknolojia manaraka ny toetr’andro.
MPEB#GFW#Fampiofanana_Teknisianina# Pêche INN
