Ny fampiofanana sy ny fanentanana mikasika ny lalana ary ny fidinana ifotony tanterahin’ny tompon’andraikitra dia dingana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny fanjonoana ary hantenaina fa hitondra tombony maro eo amin’ny fiveloman’ny mpanjono sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina ao amin’ny Faritra Ambatosoa.
Notanterahina ny faha-07 sy 08 Septambra 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Manambolosy, Distrikan’i Mananara-Nord, Faritra Ambatosoa, ny fampiofanana mikasika ny teknika amin’ny fanjonoana maharitra sy ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ireo mpanjono madinika ka Mpanjono miisa 257 avy amin’ny Fkt efatra, dia ny tao Tanjona, Anoromby, Mahasoa, ary Fontsimaro, no nandray anjara tamin’ity hetsika ity.
Ity fampiofanana ity dia natao hanatsarana ny fahaizan’ny mpanjono madinika amin’ny fampiasana ireo teknika fanjonoana maharitra izay manaja ny tontolo iainana an-dranomasina sy miantoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina. Ankoatra izany dia nisy ihany koa ny fampahafantarana mikasika ny lalàna sy fitsipika mifehy ny asa fanjonoana mba hiantohana ny fanarahan-dalàna sy ny fitantanana tsara ny loharanon-karena an-dranomasina.
Ity hetsika ity dia anisan’ny fanatanterahana ny tamberin’andraikitry ny orinasa REFRIGEPECHE_EST izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono
