Miroso hatrany eo amin’ny seha-pihariana fiompiana trondro ny eo anivon’ny ESGN Moramanga.
    Ankoatra ny fiofanana mikasika ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany dia mandrato fahalalana hafa ihany koa ireo mpiofana ao amin’ny ESGN Moramanga.Noho ny fisian’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena #MPEB# dia nisitraka fampiofanana maimaimpoana mikasika ny fiompiana trondro ireo olona 416 ao Moramanga ny faha 08 Septambra 2025 teo.
     Tao aorian’ny fampianarana anaty efitra dia nomena azy ireo ihany koa ny fampianarana teny an-tsehatra ho fampiharana izany.Tanjona ny hanapariahana ny teknikam-piompiana trondro any amin’ny toerana hiasany.
#MPEB##ESGN Moramanga Alaotra_mangoro#Fiompina_trondro# Asa Manga# Toekarena Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *