Tsy mijanona amin’ny fampiofanana fa misy ihany koa ny fanaraha-maso ny fampiharana ataon’ireo nahazo fiofanana mikasika ny fiompiana trondro omen’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga# MPEB#. Tantsaha 03 eo andalam-panamboarana dobotrondro ao amin’ny kaominina 03 samihafa anatin’ny Distrikan’i Manakara no notsidihin’ny ekipa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB #Fitovinagny ny faha 09 Septambra 2025 teo.
    Fotoana nanomezana toromarika ara-teknika mikasika ny fanamboarana dobo hampahomby ny fiompiana kasaina hatao.Nankasitraka ny finiavana ananan’izy ireo ny DRPEB ary nanome toky fa vonona hatrany hiara-miasa amin’izy ireo hampiakarana ny vokatry ny fiompiana trondro any an toerana.
#MPEB#DRPEB#Fitovinany#Fiompiana_trondro#Asa_manga.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *