Notanterahina tao amin’ny Restaurant GASS’KALY Sanfily, ao an-tanànan’i Toliara, ny fivorian’ny Comité d’Orientation et de Suivi (COS) ny faritra arovana Amoron’i Onilahy ny 04 Septambra 2025 lasa teo. Io fivoriana io dia natao mba hanohizana ny fanaraha-maso misy an’ity faritra arovana ity, izay manana velaran-tany 100 482 hektara eo. Ny faritra arovana Amoron’i Onilahy dia ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra miisa 15 manamorona ny Renirano Onilahy manomboka amin’ny Kaominina ambanivohitra Antohabato ka hatrany amin’ny Soalara-Sud.
    Anisan’ny lohahevitra nojerena tamin’izany ny tatitra momba ny asa vita tamin’ny taona 2024 izay azo lazaina fa nahitana vokatra tsara, naseho nandritra izany koa ny valiny tamin’ny fanombanana ny METT 2024 ho an’ny faritra arovana Amoron’i Onilahy, izay nahitana fiakarana niakatra hatrany amin’ny 79,5%.Naseho teto ihany koa ny Drafitr’Asa hoan’ny taona 2025 na ny PTA 2025, izay efa mandeha ny asa amin’izao fotoana izao. Ny PTA 2025 dia mifantoka amin’ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny zava-boahary ao amin’ny faritra arovana Amoron’i Onilahy, ny fanamafisana ny fanaraha-maso eny ifotony , ny fanentanana ny olona momba ny lalàn’ny faritra arovana sy ny famporisihina ny fambole-kazo. Tsy adino ny nanamafy ny famolavolana ny Dinan’ny faritra arovana, izay manampy amin’ny fanaraha-maso tsara kokoa ny faritra.Ary farany dia ny fanomezana tombotsoa fanampiny ho an’ireo mpitantana eny an-toerana ny COS, mba hanohizana ny ezaka efa vita.
    Marihina fa ny ONG WWF no nanohana ara-bola nafahana nanatontosa ity hetsika ity ary tonga nandray anjara tamin’ny fivoriana ireo sehatra rehetra voakasika toy ny tompon’andraikim-panjakana eo an-toerana , ny DREDD, DRPEB, Mines, Transport, Sécurité Public, CB Toliara II sy Betioky, APMF, TOPO, DOMAINE, DRAE, Aménagement, COBA, WWF.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *