Anjaran’ny Kaominina Ambakireny indray no nisitraka ny fampiofanana fiompiana trondro ny faha 09 Septambra 2025 ary ny faha-10 Septambra 2025 kosa ho an’ny Kaominina Brieville izay samy ao amin’ny Distrikan’i Tsaratanana, Faritra Betsiboka ka miisa 160 eo no nanatrika ity fampiofanana ity izay nahitana mpiofana 120 avy any Ambakireny ary 40 kosa avy any Brieville.
Nifantoka manokana tamin’ny fiompiana trondro an-dobo sy ny fiompiana trondro any an-tanimbary ny lohahevitra nozaraina nandritra ny fampiofanana izay mifanaraka amin’ny zavamisy any an-toerana sy ho famaliana ny fangatahan’ireo mpandray anjara ary nampifanarahana tamin’ny filan’ny faritra ireo teknika nampianarina.
Anisan’ny zava-nisongadina nandritra ny fampiofanana ny fitsidihana ny dobon’i Atoa Jafary tao Ambakireny. Nandritra io fitsidihana io dia afaka nijery mivantana ny fomba fiasa mahakasika ny fiompiana trondro ny mpandray anjara. Fanampin’izany dia nisy ihany koa ny fitsidihana ny toerana izay kasain’i Atoa Jafary hampiasaina ho fiompiana trondro vaovao. Tena resy lahatra ny amin’ny hasarobidin’ny fiompiana trondro i Atoa Jafary, ka vonona izy hamadika ny tanimbariny ho dobo fiompiana trondro mba hanamafisana ity sehatra ity.
Tonga nanohana izao hetsika izao ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana, anisan’izany ny Lehiben’ny Fkt maromaro, ny Ben’ny Tanàna, ary ny Lefitry ny lehiben’ny Distrika misahana ny faritra Tsaratanana Atsimo. Ny fanatrehan’ireo manampahefana ireo dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fampiofanana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra eo an-toerana mba hampiroborobo ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.
