Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny delegasiona avy amin’ny « Global Fishing Watch » GFW izay tarihin’Atoa Dame Mboup ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB.
Nihaona tamin’A/toa MAHATANTE Paubert Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny delegasiona avy amin’ny GFW izay ONG iraisampirenena mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministera manoloana ny ady atao amin’ny Jono tsy manaradalana tsy voafanambara ary tsy voafehindalana Peche INN.
Nankasitraka hatrany ireo ezaka tsara izay vitan’i Madagasikara ny ONG GFW izay manome tatitra isan-telo volana momba ny zava-miseho mahakasika ny resaka jono ao anatin’ny ranomasina izay iadidian’i Madagasikara na ny zone économique exclusive. Marihina fa ny GFW dia iray amin’ireo Mpiaramiombonantoka amintsika amin’ny ady atao amin’ny peche INN toy an’ny ONG Sea Shepherd, ny Ocean Mind sns
