Anisan’ny laharam-pamehana hapetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanovana ny rafim-pamokarana na ny « transformation agricole » Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fanjonoana izay ao anatin’ny Agriculture « A ».
97% ny vokatra vokarintsika eto Madagasikara dia avy amin’ny sehatry ny #Jono_madinika avokoa ary manodidina 1 500 000 isa ireo olona mivelona aminy raha 150 000 kosa ireo mpanjono miantsehatra amin’izany. Ho hamafisina arak’izany ny #fanatsarana ity sehatry ny Jono madinika amin’ny alalan’ny #fametrahana #Tetikasa vaovao ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ireo mpanjono madinika izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka #FAO. Hiara-hitady vahaolana maro #hampaharitra izany ho #Lovain_jafy ,anisan’izany ny fahafahan’izy ireo miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro sns ..
Faritra 4 eto Madagasikara no hametrahan’ny FAO ny Tetikasa hanatsarana ity sehatra ity dia ny Faritra #Atsimo_Andrefana , #Faritra_Boeny , #Faritra_Androy Ary ny #Faritra_Alaotra_Mangoro.
Misy arak’izany ny atrikasa ho fanaingana ity Tetikasa ho fanatsarana ny Jono madinika iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka FAO ity izay tanterahina eto Toliara ,Faritra Atsimo Andrefana. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy Ary hita mandray anjara ao avokoa ireo mpanamahay , mpiara- miombon’antoka, ny Ministera sns….
