Nidina ifotony, nitsidika ity ivon-toeram-panofanana Jamba ao Antsirabe ity ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra ny faha 10 Septambra 2025. Tanora manana olana amin’ny fahitana avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no raisina an-tanana ao.
Araka ny fangatahana voaray dia hametrahana tobim-piompiana trondro manaram-penitra ny eo anivon’ny #FOFAJA ka ny #DRPEB_Vakinankaratra no hitondra ny tantsorina ara-teknika ilaina amin’izany. Ny avy ao amin’ny #ENSOA kosa no manome tanana ara-kolona ho amin’ny fanarenana ny dobo.
Afaka mamokatra trondro matavy manodidina ny 1,5T isan-taona ity toerana ity raha manao « cycle » roa. Isan’ny anjara biriky hoentin’ny FOFAJA kosa ny hamadika ireo « fiche technique » fiompiana trondro efa navoakan’ny Ministera ny Jono sy Toekarena Manga ho amin’ny soratra « Braille » hisitrahan’ny Malagasy rehetra.
