Tonga eto Antsiranana ny #STAC_MPEB na ny sampan-draharaha hoan’ny fangaraharana sy ny ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny MPEB ka nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana ireo tompon-andraikitra eo anivon’ny sampan-draharaham-paritra Bianco teto Antsiranana an’io faha 11 septambra 2025.
Nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny dinika hifantohana bebe kokoa amin’ny fiaraha-mientana ho famahana sy ny ezaka tokony hitohizana momba ny ady amin’ny Kolikoly sy ny fametrahana ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny Jono eo anivon’ny Faritra.
