Azo antoka fa hitombo ny isan’ny mpiompy trondro ao amin’ny Distrikan’i Antanambao Manampotsy indrindra taorian’ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fahavononan’ireo mponina tamin’ny alalan’ny fampiofanana fiompiana izay natao ny faha-11 Septambra 2025, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antanambao Manampotsy, Distrikan’i Antanambao Manampotsy, Faritra Atsinanana ;125 no tonga nanatrika tamin’ity fiofanana ity ka ny 43 amin’izy ireo dia efa mpiompy trondro izay tonga mba hanatevina ny traikefany sy hizara ny fahalalany.
Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy fizarana traikefa teo amin’ireo mpiompy efa za-draharaha sy ireo vao hiditra amin’ity sehatra ity. Natao ihany koa ity fiofanana mba hanomezana fahalalana sy teknika fototra ilaina amin’ny fiompiana trondro, indrindra ny fomba fiompiana mifanaraka amin’ny zavamisy ao an-toerana sy ny filan’ny mpiompy, manome tombony ihany koa ho an’ny mponina ao Antanambao Manampotsy ary antenaina fa hitondra fiovana tsara eo amin’ny fampandrosoana ny distrika izao hetsika natao izao.
