Fiara lehibe « Camion frigorifique » iray no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ireo fikambanan’ny vehivahy vadina mpanjono #RENAFEP_MADA eto Toliara Anio 12 septambra 2025. Fanomezana avy amin’ny Tetikasa #PROFISH_BLUE ao amin’ny Vondrona #SADC Izay vatsian’ny #BAD ity fiara lehibe ity izay entina hanampiana azy ireo amin’ny fitateram-bokatra avy amin’ireo toerana lavitra mba ho ara-pahasalamana hatrany.
Marihina fa Tafiditra anatin’ny fankalazan’izy ireo ny 5 taona nijoroan’ny fikambanana ity Hetsika ity.
Izany dia hanampy betsaka amin’ny fanatsarana sy fitazomana ny kalitaon’ny vokatra izay miainga avy eny an-driaka mandra-pahatonga eny amin’ny an-toerana ivarotana azy ary mampihena ihany koa ireo vokatra simba na very raha betsaka loatra. Hiriana arak’izany fa hitondra fanovana lehibe eo amin’ny sehatry ny lalam-barotra ho azy ireo ny fisian’ity fitaovana ity Ary hiroborobo hatrany ny sehatry ny Jono ao an-toerana.
Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy izay natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy ireo olom-panjakana rehetra an-toerana Ary ireo mpanjono sy vadina mpanjono .
