Ho fampiroboroboana ny sehatry ny Jono madinika eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana hatrany dia Nisy fanolorona amin’ny fomba ofisialy ny « machine à glace » na Milina fanamboarana lagilasy ho an’ny RENAFEP MADA eto Toliara .
Fampitaovana avy amin’ny Mpiara-miombon’antoka #FAO Izay mamokatra lagilasy 1 taonina isan’andro.
Nisy ihany koa ny trano vaovao avy amin’ny MPEB izay nohajarian’ny FAO hatrany nentina nametrahana ity Milina ity.
Izy ity izay manampy ihany koa amin’ny fampihenana ny vokatra Simba manoloana ny fanjonoana miompampana mba hisian’ny Jono maharitra ho Lovain-jafy. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny lafiny ara-pahasalamana satria vokatra tsara kalitao sy madio ihany koa no mivoaka ao aminy .
Ho any fikambanan’ny vehivahy ao amin’ny Renafep Manokana dia Anisan’ny hanatsara ny foto-piveloman’izy ireo ny fisian’ity Milina ity.
Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy Ary natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy Tompon’andraikitram-panjakana isan’ambaratongany.
« Hampiasao amin’ny fahendrena sy firaisan-kina tanteraka ireo fitaovana ireo ary aoka hifanampy sy hifampizara zavatra tsara ho fampandrosoana ity firenentsika ity » hoy kosa ny nambaran’ny avy ao anivon’ny FAO nandritra ny fandraisam-pitenenany.
