Fampiofanana mikasika ny fanatavezana drakaka.
       Maro ireo karazana teknika fiompiana sy fomba fanjonoana izay zarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB# mba hampitomboana ny famokarana anaty rano ka isan’izany ny teknika momba nyy fanatavezana drakaka.Nisitraka izany ireo mpanjono miisa 30 izay notarihin’ny filohan’ny fivondronan’ny mpanjono MANONGALAZA ao Fascene ,distrikan’i Nosy Be ny faha 11 Septambra 2025 teo. Ny ekipa avy ao amin’ny Fari-piadidian’ny Jono sy ny Toekarena Manga #CirPEB Nosy Be# tao an-toerana no nizara ny traikefany nandritra izany.
     Tanjona ny hampihenana ny fitrandrahana tafahoatra ny vokatra sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ireo mpanjono.
#MPEB#CirPEB#Nosy Be#Fiofanana_Fanatavezana_drakaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *