Nitohy ny faha-11 Septambra 2025, tao amin’ny Faritr’i Matsiatra Ambony, ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Ity fivoriana ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampiroboroboana ny asa manga amin’ny alalan’ny fampamokarana anaty rano, mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra sy ny fahombiazan’ity seha-pihariana ity.
Nandritra ny asam-baomiera no nandinihina ireo lohahevitra heverina ho tena mana-danja ka anisan’izany ny momba ny olana mifandraika amin’ny tsy fisian’ny teknisiana ampy eo anivon’ny faritra ary ny sakana eo amin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ireo mpisehatra rehetra. Teo ihany koa ny fepetra tokony horaisina mba hiatrehana ireo olana voalaza. Nisy ny fandrafetana ireo asa manokana ho tanterahina, toy ny fanofanana teknisiana vaovao, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ho an’ny fiompiana trondro. Ary farany dia ny fe-potoana hanatanterahan’ireo tompon’andraikitra mba hahazoana antoka fa hiroso amin’ny fomba voarindra ny tetikasa rehetra.
Ny fikambanana MIARISOA eto dia efa voafidy ho anisan’ireo ho mpisehatra anatin’ity fampiroboroboana ny famokarana anaty rano ity ka voafantina hitantana ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) ao Ampamaherana. Ity fikambanana ity dia hanana andraikitra lehibe amin’ny fanaraha-maso sy fampandrosoana ny asa manga ao amin’io faritra io ka anisan’izany ny fanohanana ny mpiompy trondro sy ny fiantohana ny kalitaon’ny vokatra.
