Fampitaovana ireo Vondron’olona eny Ifotony.
     Miantoka ny fahombiazana amin’ny asa fiompiana trondro ny hatsaran’ny fitaovana ampiasaina.Arak’izany dia tanora miisa 08 ao amin’ny kaominina Andasibe sy Ambatovola samy ao anatin’ny Distrikan’i Moramanga no nahazo fampitaovana maro samihafa avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy nyToekarena Manga# MPEB# ny faha 10 Septambra 2025 teo izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny « Jeunes Actifs pour le Developpement Durable »JADD.
     Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro ao an-toerana.Natao ihany koa izao hanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy hiatrehana ny vokatry ny fiovaovan’ny Toetrandro.
#MPEB#DRPEB# Alaotra Mangoro #Fampitaovana_VOI#JADD#Fiompiana_trondro# Asa Manga #Toekarena Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *