Mpianatra avy ao amin’ny Oniversite #IES_Anôsy miisa 20 no nahazo fiofanana fiompiana trondro tao amin’ny #DRPEB_Anôsy ny 09 Septambra 2025.
Novelabelarina tamin’izy ireo ny karazam-piompiana trondro an-tanety, an-tanimbary ary anaty vovo mitsingevana. Teo ihany koa ny fomba amin’ny fanamboarana dobo, ny fiompiana sy famokarana zanatrondro ary ny fanamboarana sakafo mifangaro.
Natao izao fampiofanana izao mba hifameno amin’ny fianarana izay tanterahin’izy ireo ny sehatry ny fiompiana trondro ho asa mahavelona.
Nisy ihany koa ny fidinana an-kianja tao amin’ny toeram-piompiana trondro izay tantanin’ny Fikambanana #TANAMAITSO eny Manantantely. Samy afa-po ny rehetra nahita ny ezaka vitan’ny Fikambanana TANAMAITSO.
