Sampan-draharaha ny fangaraharana sy ny ady @ kolikoly
       Ny governemanta sy ny fikambanana iraisam-pirenena dia manao asa maro, indrindra amin’ny alalan’ny BIANCO, izay misahana ny fanadiovana sy ny famafisana ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly. Paikady iray izay mitondra ny fanavaozana ny lalàna, fanabeazana ny olona (indrindra ny tanora sy ireo manam-pahaizana) ary fanamafisana ny lafiny fanaraha-maso.
        Nitohy ny faha-12 Septambra 2025, tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga # DRPEB DIANA# ny fampahafantarana sy ny fivoriana niarahana tamin’ireo solon-tenan’ny BIANCO tao amin’ny Faritra momba ny sehatra ady amin’ny Kolikoly mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitondrantena tokony ananan’ny mpiara-miasa tsirairay ary nahafahana nametraka ny lamin’asa momban’ny fangaraharana sy ny ady amin’ny Kolikoly.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *