Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 11 Septambra 2025 teo ny Vitrine du Vakinankaratra izay ahitana trano heva manodidina ny 340 eo izay samy nampiranty ireo vokatra vokarina ao amin’ny faritra Vakinankaratra.Ny lohahevitra noraisina tamin’ity hetsika ity dia ny hoe: « La croissance des Entreprises, conditions essentielles pour un développement intégré et durable de la région. »
     Araka io lohahevitra io dia tsy diso anjara fa omena tantsoroka ihany koa mpandraharaha misehatra amin’ny Toekarena Manga mandritra ity andiany faha 27 ity ny # DRPEB Vakinankaratra # no misolotena ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao anatin’izao hetsika goavana izao. Amin’ny ankapobeny dia misy tsy tapaka ny hazan-drano isan-karazany amin’ny kalitao tsara sy amin’ny vidiny mirary mandritra ny hetsika.
      Teo ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONG APDRA izay nahafahana nanome tantsoroka ireo mpiompy trondro ka Sady mivarotra zana-trondro izy ireo no mampiranty ireo karazana karpa fakana taranaka. Tsy hadino ny fampirantiana ireo paikady, ireo antontan’isa sy ny asa vita ny Ministera ary ny fampahafantarana ny lalana mifehy ity sehatra ity. Marihina fa haharitra 3 andro eo ity hetsika ity

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *