Manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay miantraika mivantana amin’ny seha-pamokarana eny ambanivohitra dia ilaina ny fampiofanana ny tantsaha. Paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny mizara ny teknikam-piompiana trondro manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara.Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faha 12 Septambra 2025 teo ireo tanora 33 mianadahy niofana nandritra ny 03 volana tao amin’ny Foibe Fanofanana Tanora Tantsaha ao Ampandratokana Distrikan’Ihosy.
Isan’ny nizara ny teknikam-piompiana trondro tamin’izy ireo nandritra izany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Ihorombe.Nozaraina hanampamokarana ihany koa izy ireo tao aorian’ny fiofanana ahafahana manomboka ny fihariany.Ny ONG Tsimoka no nanome ny tantsoroka nahafahana nanao izao fampiofanana izao hatramin’ny farany.
