Taorian’ny enin-taona nanaovana nisiany, dia nofaranana ny fandaharanasa ECOFISH, izay novatsian’ny Vondrona Eoropeana ary notanterahin’ny COI niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-potoana (COMESA, EAC, IGAD, SADC, LVFO, LTA), dia nifarana amin’ny 12 Septambra 2025.
Firenena 18 ao amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimo amin’i Afrika ary ny Ranomasimbe Indiana ny mpahazo tombotsoa. Napetraka ho fototra ny hampaharitra ny sehatr’asa jono, ka nahitana vokatra matanjaka toy ny fampiasana fitaovana vaovao manaraka ny toetr’andro, fanamafisana ny fiaraha-miasa, ary fanohanana ireo vondrom-piarahamonina fa indrindra ireo mpanjono eny ifotony.
Tanjona ny hiantohana fa hitohy ny lova navelan’ny ECOFISH amin’ny alalan’ny rafitra, fitaovana, fiaraha-miasa ary fotodrafitrasa maharitra », io no nambaran’Andriamatoa Edgard Razafindravahy, Sekretera Jeneralin’ny COI tamin’ny lahateny nataony. Nankasitrahana manokana ny asa nataon’ireo ekipa sy ny fandraisan’anjaran’ny mpiara-miombon’antoka rehetra.
Fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny jono, ny fampidirana fitaovana manavao amin’ny fanaraha-maso sy fanangonana antotan’isa, ary ny fanohanana ny vondrom-piarahamonina amoron-dranomasina amin’ny alalan’ny tetikasa ifotony, ireo no nisitrahan’i Madagasikara tao anaty ny Fanadaharanasa. Ankoatra izany, ECOFISH dia nanampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga eto Madagasikara.
Tafiditra tanteraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra toy ny COI, SADC, sy ny hafa, izay manamafy ny fandraisana anjara sy ny fahaiza-manao nasionaly amin’ny fitantanana maharitra ny jono sy ny tontolo an-dranomasina.
