Nandritra ny andro roa nisesy dia nisy fampiofanana manokana natolotra ho an’ny mpanjono tao amin’ny Distrikan’Antsohihy, Faritra SOFIA mba hanatsarana ny fomba fampiasana ireo fitaovam-panjonoana drakaka sy trondro.
Ny faha 10 Septambra 2025 no natao izany fampiofanana izany tao amin’ny Fkt Ankingalalotra, Kaominina Ambanivohitra Ambodimandresy, Distrikan’Antsohihy ka Mpanjono miisa 25 no nanatrika ny fiofanana raha ny 11 Septambra 2025 kosa ny tao amin’ny Fkt Antafiampatsa, ao amin’ny Kaominina sy Distrikan’Antsohihy ihany, no nanatanterahana ny fampiofanana faharoa ary mpanjono miisa 30 no tonga nanatrika.
Fanampin’izay dia nisy koa ny fampatsiahivana natao momba ireo lalàna mifehy ny jono toy ny fitsipika mifandraika amin’ny vanim-potoana voafetra fihidin’ny jono sy ny faritra azo anjonoana mba hampiroboroboana ny fanjonoana maharitra sy hanajana ny fitsipika napetraky ny fanjakana.
