Nanatanteraka fitsidihana ara-pombam-panajana an’ Atoa Sekretera Jeneraly ny Faritra Sofia ny avy ao amin’ny #STAC_MPEB na ny sampan-draharaha ny fangaraharana sy ny ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny MPEB sy ny solon-tenan’ny BIANCO avy any Mahanjanga ny 15 septambra 2025.
Betsaka ny zavatra noresahana ka tafiditra anatin’izany ny dinika hijerena akaiky momba ny ady amin’ny Kolikoly sy ny fangaraharana atao amin’ny Faritra ary niresaka momba ny fanofanana mandritrany roa andro ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritra ny ministera ny jono sy ny toekarena manga.
