Zava-dehibe ao anatin’ny fikambanana ny fanokanana fotoana iray hahafahana mifampizara sy mifanakalo traikefa mba entina hanatsarana ny fikambanana.Nifamotoana arak’izany ireo mpikambana ao anatin’ny Union GEC Arrondissement Dzamandzar Nosy Be ny faha 13 Septambra 2025 teo ary nanatanteraka ny zaika fanao eo anivon’ny fikambanana.
Fikambanana GEC miisa 43 izay hahitana mpikambana miisa 1 250 no tonga nanatrika ity zaika ity ary marihina fa ny Hetsika dia fihaonana sy fanehoana ny 3F (Fifankatiavana, Fahendrena, Fandiferana) ary fampahalalana ireo olona mpitantana mandrafitra ny VONDRONA GEC vaovao, izay vao avy nofidian’ireo mpikambana . Izany dia nialohavan’ny Diabe nitety ny Tanana Dzamandzar fanehoana izany firaisankina izany.
Tonga nanotrona izany ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny izay manaporofo hatrany ny fahombiazana napetraky ny Tetikasan’ny Ministera na efa nifarana tamin’ny taona 2023 aza ny tetikasa SWIOFish2.
