Miroso hatrany amin’ny fanatratrarana ny tanjony ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB# amin’ny alalan’ ireo teknisiana ao aminy. Porofon’izany ny fampiofanana maimaimpoana mikasika ny fiompiana trondro manerana ny Nosy.
Nisitraka izany tamin’ny alalan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena manga #DRPEB Betsiboka niaraka tamin’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny fampamokarana ny aty rano # DA avy any amin’ny Ministera foibe.
     Ireo mponina tao amin’ny Kaominina roa samy tao anatin’ny Distrikan’i Tsaratanàna ny faha 12 sy 14 Septambra 2025 teo. Nitotaly 108 ireo tonga nisitraka ny fiofanana momba ireo tsara ho fantatra sy ireo pitsopitsony amin’ny teknikam-piompiana trondro.
     Nisy ihany koa ny fitsidihana dobo izay nanaovana fampiharana sy fanomezana toromarika ara-teknika avy hatrany. Nankasitraka ny fitondram-panjakana ireo vahoaka any an toerana ary maniry ny hitohizan’izany hatrany noho ireo tombontsoa maro azo avy amin’ny fiompiana trondro no sady asa mahavelona ihany koa.
#MPEB#DRPEB#Betsiboka#Fampiofanana_fiompiana_trondro# Asa Manga# Toekarena Manga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *