Mitohy hatrany ny ezaka atao amin’ny fametrahana ny drafi-panajariana momba ny ranomasina na ny « PSM » izay anisan’ny fitaovana iray hanampy amin’ny famahana ny fifandirana amin’ny fampiasana ny ranomasina sady andry anankiray antoka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo amin’ny vondrom-piaraha-monina amorontsiraka.
    Napetraka arak’izany ny dingana fametrahana ny Planification Spatiale Marine (PSM) tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao izay hiarahan’ny Ministera maromaro izay voakasika toy ny MPEB (Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue), ny MDAT (Ministère de l’Aménagement du Territoire) ary MEDD (Ministère de l’Environnement et du Développement Durable). Hetsika izay natao ny faha 11 – 12 Septambra 2025 teo raha toa ka tamin’ny faha 15 Novambra 2024 no nanombohana izany.
     Tanjon’ ny fivoriana ny fanombanana ny atontan’isa sy ireo atontan-kevitra (diagnostic maritime) mahakasika ireo mpisehatra sy ny sehatr’asany an-dranomasina ka hijerena ireo fototry ny olana sy ny firindrana misy eo amin’ny fampiasana miaraka (cohabitation) ny fari-dranomasina mba hisorohana ny fifanitsahana ary hiantohana ihany koa ny fampiasana mahomby sy maharitra ny harena an-dranomasina.
     Ireo atontan-kevitra voangona mandritra izao fihaonana izao dia ho harafitra mba hamokarana ny FFOM izay hitarika amin’ny famolavolana drafitra hampirindra ny fampiasana ny fari-dranomasina ao amin’ny Kaominina Anakao. Velom-bolo sahady arak’izany ireo mpisehatra sy ny solontenam-panjakana tao an-toerana, satria io drafitra io dia hantenaina ho fitaovana mahomby hitondra vahaolana maharitra sy hampiroborobo ny Toekarena eny ifotony sy ho tombontsoan’ny maro izay maintsehatra eo amin’ny ranomasina.
      Izao no tontosa dia noho ny tantsoroka avy amin’ny Tetikasa MIONJO.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *