Fandalinana ny habetsahany « Horita » sy « Angisy » ao anivon’ny fari-dranomasin’ny Faritra Androy izay tanterahan’ny #Fikambanana_VOIZO_Madagascar amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Tetikasa MIONJO.
Fokontany fito anatin’ny Distrika telo, izay ao Ambovombe, Zanavo, Ikotoala; ao Tsihombe, Andranokotsa, Bevala, Edoha; ary ao Beloha, Lavanono, Analatsakoabno hatanterahana izany.
Fanadihadiana sy fanarahamaso ny vokatra azon’ny mpanjono mandritra ny telo volana no natao, nanomboka ny faha 13 sept 2025 lasa teo.
Ny tanjona dia ny hamantarana ny toerana misy Horita sy Angisy ary hitondrana sosokevitra sy paikady hampiroboroboana ny sehatra Horita sy Angisy, hitondra fampandrosoana ho an’ny mpanjono sy ny Faritra Androy.
