Tanterahina ny 27 – 28 septembre 2025 ho avy izao ny Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny Fizahantany izay nampitondraina ny lohahevitra hoe « #Fizahantany_miaraka_amin_ny_fiovana_maharitra« . Miara-misalahy mandritra ity Fankalazana ity ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ( #MTA ) ,Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ( #MPEB ) Ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovain-jafy ( #MEDD )
      Nosafidiana manokana ny Faritra Menabe nohon’ny fananany ireo #Harena_Voajanahary na eo amin’ny sehatry ny #Toekarena_Maintso  na #Toekarena_Manga  anisan’izany ny fananantsika ny tsingy de Bemaraha, kirindy ,ny ala Honko , ny Belo sur mer izay Faritra arovana ahitana ireo harena anaty rano , ny allée des baobabs izay anisan’ny mahasarika mpizahantany amin’ny hatsarany sns …
      Raha ho an’ny Toekarena Manga dia iray amin’ireo singa izay mamorona izany #Fizahantany_Manga ( Tourisme bleue) izay iarahana miasa amin’ny MTA amin’ny fampiroboroboana izany . Ho an’ny Morondava dia ahitana ireo vatohara na récif Coralien maro ankoatr’ireo resaka fanjonoana sy vokatry ny Jono maro izay hananany , ao ihany koa ny Fizahantany siantifika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *