Madagasikara : « Ho modely amin’ny haitondra tena izy, hanome antoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina sy amoron-tsiraka ».
✅Ny Hay Riake no ONG malagasy voalohany izay mifantoka amin’ny hay tondran’ny ranomasina, ny morontsiraka ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga izay manam-pahaizana amin’ny sehatra marolafy avy eto an-toerana no nanangana azy.
▶️Anisan’ny tanjon’ity fikambanana ity ny fanampiana ny fiaraha-monina, ny vehivavy, ary ny tanora mba hahay mitantana tsara ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina, sy hiaro ny tontolo iainana eny amoron-tsiraka.
🔹Manohana ny Toekarena Manga mba haharitra izy ary miady amin’ny fandotoana an-dranomasina. Ny teknolojia maoderina toy ny fampiasana « drône » sy ireo « logiciel » manokana no hampiasainy amin’izany, ankoatra ny fampiharana ireo fahaiza-manao sy traikefa maro ahafahana mandrindra ny fampiasana maharitra ny harena an-dranomasina.
👉Manome fiofanana hoan’ireo mponina eny ifotony ihany koa ny ONG ary mamorona sehatra fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ny mpandray anjara ao an-toerana sy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena izay hahafahana miara-miasa ihany koa. Hitondra vahaolana sy hevi-baovao maharitra izy, toy ny « Blue Bond » sy « Source to Sea », ary mizara fahalalana amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo antontan’isa sy ireo antontan-kevitra voangona.
Tanjona lehibe ho an’i Hay Riake noho izany ny hampitodika misimisy ny malagasy any amin’ny ranomasina, noho ny maha firenena nosy azy, ary koa hanomana ireo taranaka hahafehy ny fitantanana mirindra io harem-be ananantsika io.
👉Miantso ireo Andrim-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ireo manam-pahaizana i Hay Riake mba hifanome tànana aminy ho amin’ny fiarovana ny ranomasina, hanome lanja ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina mba hahafahan’ny mponina eny amoron-tsiraka hahay miara-miaina ao anatin’ny tontolo iainana andranomasina sy amorontsiraka maharitra ka afaka hiatrika ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro.
Ny Ministeran’ny Jono dia miara-miasa amin’ny sehatra rehetra ary mirary fahombiazana tanteraka ho an’i Hay Riake.
#ONG_Hay_Riake

Madagasikara : « Ho modely amin’ny haitondra tena izy, hanome antoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina sy amoron-tsiraka ».
      Ny Hay Riake no ONG malagasy voalohany izay mifantoka amin’ny hay tondran’ny ranomasina, ny morontsiraka ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga izay manam-pahaizana amin’ny sehatra marolafy avy eto an-toerana no nanangana azy.
      Anisan’ny tanjon’ity fikambanana ity ny fanampiana ny fiaraha-monina, ny vehivavy, ary ny tanora mba hahay mitantana tsara ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina, sy hiaro ny tontolo iainana eny amoron-tsiraka.
      Manohana ny Toekarena Manga mba haharitra izy ary miady amin’ny fandotoana an-dranomasina. Ny teknolojia maoderina toy ny fampiasana « drône » sy ireo « logiciel » manokana no hampiasainy amin’izany, ankoatra ny fampiharana ireo fahaiza-manao sy traikefa maro ahafahana mandrindra ny fampiasana maharitra ny harena an-dranomasina.
      Manome fiofanana hoan’ireo mponina eny ifotony ihany koa ny ONG ary mamorona sehatra fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ny mpandray anjara ao an-toerana sy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena izay hahafahana miara-miasa ihany koa. Hitondra vahaolana sy hevi-baovao maharitra izy, toy ny « Blue Bond » sy « Source to Sea », ary mizara fahalalana amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo antontan’isa sy ireo antontan-kevitra voangona.
Tanjona lehibe ho an’i Hay Riake noho izany ny hampitodika misimisy ny malagasy any amin’ny ranomasina, noho ny maha firenena nosy azy, ary koa hanomana ireo taranaka hahafehy ny fitantanana mirindra io harem-be ananantsika io.
      Miantso ireo Andrim-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ireo manam-pahaizana i Hay Riake mba hifanome tànana aminy ho amin’ny fiarovana ny ranomasina, hanome lanja ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina mba hahafahan’ny mponina eny amoron-tsiraka hahay miara-miaina ao anatin’ny tontolo iainana andranomasina sy amorontsiraka maharitra ka afaka hiatrika ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro.
Ny Ministeran’ny Jono dia miara-miasa amin’ny sehatra rehetra ary mirary fahombiazana tanteraka ho an’i Hay Riake.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *