Tontosa ny Alarobia 17 Septambra 2025 ny fidinana ifotony niarahan’ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania sy ireo avy amin’ny tetikasa APDRA 4F/ASAM Amoron’i Mania tao Andranonanakova, Fkt Sahave izay natao indrindra hanamafisana ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.
Ankoatra izay dia nampahafantarina ireo tantsaha ny amin’ny tokony hananana karatry ny mpiompy trondro izay fitaovana ilaina amin’ny fanarahan-dalàna. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny lalàna sy fehezan-dalàna mifandraika amin’ny halatra trondro sy ny fisomparana satria ireo no anisan’ny sakana lehibe atrehin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Nohamafisina ny sazy sy ny famaizana ho an’ireo izay manao ireo fihetsika tsy ara-dalàna ireo, mba hampihenana ny fatiantoka sy hiarovana ny vokatra.
Miisa 31 ny tantsaha nanatrika ity fivoriana ity, ary naneho ny fahavononany tanteraka hanatsara sy hampitombo ny vokatra .Taorian’ny fivoriana, nisy ny fitsidihana ny dobo famokarana zana-trondro an’Atoa R. Fulgence sy Atoa R. Jean R. izay samy monina ao Andapa. Ireo fitsidihana ireo dia nanome fahafahana ho an’ny tantsaha hanatsara ny fomba fiasan’izy ireo.
