Ny trondro tomady tsara no tokony hosafidiana hakana taranaka.Ilaina araka izany ny fanaraha-maso ireo natokana hatao raiamandreny trondro mba hahazoana zana-trondro tsara kalitao.Mpiompy karazan-trondro karpa miisa 15 tao Analameloka, Distrikan’i Farafangana izay miara-miasa amin’ny Tetikasa ASAM sy ny ONG HIH no notsidihin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsimo Atsinanana # izay rantsamangaikan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB tany an-toerana ny faha 17 Septambra 2025 teo.
       Nandritra izany no nanaovana fampiharana ny fiofanana famokarana zana-trondro karpa izay efa nomena azy ireo teo aloha.Nampatsiahivina ihany koa ny tokony hananan’izy ireo karatra maha mpiompy trondro sy ny fanarahana ny lalàna mifehy ny fiompiana trondro ary ny tokony hivondronana ao anaty fikambanana hahafahana mahazo tohana.Noentanina ihany koa izy ireo hanao tatitry ny vokatra hanatevenana ireo antotan’isa eo anivon’ny Ministera.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *