Ankoatry ny fanatsarana ny asa dia Anisan’ny tanjona lehibe amin’ny fanatanterahana ny hetsika toy izao ny Tsy hampisy intsony ny elanelana eo amin’ny Mpiasa sy ireo lehibe eo anivon’ny toeram-piasana mba hanatrarana ny tanjona iraisana.
▶️Izany indrindra no antom-pisian’ny fihaonam-be toy izao ka ho an’ity andiany faharoa ity dia ny teo anivon’ny #ENSOA hatrany no nandray ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara . Hetsika maro arak’izany no ho tanterahina mandritra ity fihaonana ity toy ny Hetsika #Ara_panatanjahatena , ny fifampizarana #fahaiza_manao , #Fitadiavam_bahaolana , #fifampihainoana sy ny maro hafa.
     Manamafy hatrany ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiasa mba hisian’ny #fijery_Mitovy mba hitondra fampandrosoana ho an’ny Ministera ka ho tena ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana ho an’ny Madagasikara tokoa ity sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ity .
      Nitondra ny teny firariantsoa ho azy ireo ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Ary nanamafy fa samy manana ny anjara birikiny Ary samy hijoro ho Tompon’andraikitra avy Isika rehetra amin’ny fampandrosoana an’ity firenentsika ity
ENSEMBLE ON IRA LOIN

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *