Nidina ifotony, ny faha 17 Septambra 2025, ny Tale misahana ny Jono eo anivon’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga, nijery sy nanadihady ny fomba fampiasan’ny #Fikambanana_Milavara mpanjono ny lakana « en fibre de verre » misy « moteur » izay notoloran’ny #MPEB azy ireo. Hita fa mitombo ny vokatra azo sy ny vola miditra amin’ny fikambanana araka ny ny « Fiche de pêche ».
Nitsidika ny « Complexe pêche » izay tantanan’ny #Koperativa_FIANDROY ihany koa ny Tale misaha ny Jono, izay nahita ny fahasimbana noho ny fandalovan’ny rivodoza HONDE tamin’ny volana Marsa 2025 sy ny fanamboarana izay ataon’ny mpikambana eo anivon’ny Koperativa.
