Ny fiaraha miasa eo amin’ny sehatra isan-karazany dia antoka ho an’ny mpanjono hiatrika ny fanamby amin’ny famokarana sy ny fitantanana ny vokatra avy amin’ny ranomasina. Nisy ny fampiofanana izay haharitra 5 andro eo sy ny fanohizana ny hetsika eny amin’ny toerana samihafa notanterahina tao amin’ny Faritra DIANA.
    Nanomboka ny faha18 Septambra 2025 teo arak’izany tao Ankazomborona, Kaominina Ambilobe, Faritra DIANA, ny fanokafana ny fampiofanana natokana ho an’ny mpanjono, izay natrehan’ny RFO (Refrigepeche Ouest), Solontena avy amin’ny MPEB, ny Ekipan’ny DREDD DIANA, ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny, ary ny Ekipan’ny CirPEB Ambilobe. Ity fampiofanana ity dia natao hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalan’ny mpanjono mba hampandrosoana ny sehatry ny jono ao amin’ny faritra.
    Nandritra ity hetsika ity, nisy fampiofanana maromaro no nozaraina izay mikendry ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny mpanjono sy ny fitantanana ny vokatra avy amin’ny ranomasina. Toy ny
     Fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny mpanjono momba ny fomba fiompiana trondro sy ny teknika fanamboarana ny DCP# Dispositif de Concentration des Poissons# , izay fitaovana manampy amin’ny fanangonana trondro eny amin’ny ranomasina mba hanamora ny fahazoana vokatra betsaka.
     Fanomanana sy fitehirizana ny vokatra avy amin’ny rano. Nampianarina ireo mpanjono ihany koa ny fomba fanomanana sy fitehirizana tsara ny trondro sy ny vokatra avy amin’ny ranomasina mba hiantohana ny kalitao sy ny faharetany. Ka Mpanjono miisa 50 no nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity.
     Fampahafantarana ny lalàna momba ny ady amin’ny doro-tanety sy motro izay anisan’ny fomba fanjonoana tsy ara-dalàna manimba ny tontolo iainana an-dranomasina. Ny mpanjono rehetra dia nandray anjara tamin’ity resaka ity.
     Fampiofanana momba ny C4D (Communication for Development) izay natokana ho an’ny lehiben’ny Fkt, ny Filohan’ny TGRN, Filohan’ny TGRH, Filohan’ny Kaoperativa ary ny Filohan’ny Fikambanan’ny Mpanjono.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *