Ny faha 16 ka hatramin’ny faha 18 Septambra 2025 teo dia nisy fidinana natao tany amin’ny Distrikan’i Beloha sy Tsihombe ao amin’ny Faritra Androy izay notarihin’i Atoa Talen’ny Jono avy amin’ny Ministera foibe. Ity hetsika ity dia nifantoka tamin’ny fampiofanana ireo mpanjono madinika momba ny teknika vaovao amin’ny fampiasana “palangre de surface” sy “palangre du fond” .
Ny tanjona kendrena amin’izany dia ny hanatsarana ny fomba fanjonoana sy maharitra izay ahafahana mahazo vokatra betsaka sy trondro lehibe ary miantoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina.Ankoatra izany dia nisy ihany koa ny fanentanana manokana momba ny fiarovana ny Akio (Requin Marteau), karazana biby an-dranomasina arovana sy tandindomin-doza ho lany tamingana.
Ny fampiofanana dia nahitana mpanjono avy amin’ny faritra telo samihafa ao amin’ny Distrikan’i Beloha sy Tsihombe dia ny avy ao amin’ny Fkt Mahabo, Kaominina Ambonaivo, Distrikan’i Beloha,ny tao amin’ny Fkt Lavanono, Kaominina Tranovaho, Distrikan’i Beloha ary ny tao amin’ny Fkt Befeha, Kaominina Marovato, Distrikan’i Tsihombe
Tsapa fa tena mavitrika sy vonona tanteraka ireo mpanjono niofana hampihatra ny fahalalana vaovao azon’izy ireo. Fanampin’izany fia naneho ny fahavononany ihany koa izy ireo hanaja ny lalàna mifehy ny jono indrindra ny fanjonoana ny Akio sy ny karazana biby an-dranomasina arovana.
