Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny CirPEB Ambanja # amin’ny fanomezana fampiofanana maro samihafa. Tontosa ny faha 19 Septambra 2025 tao Fkt Ankigny Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, ao amin’ny Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA ny fanohizana ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, ny fanatavena drakaka, ny fanomezan-danja ara-bidy ny vokatra anaty rano, ny fomba fanjonoana mampiasa ny DCP (Dispositif de Concentration de Poissons) na “rongatra” ary ny fampiasana palanky na « Palangre ».
Nisy mpandray anjara miisa 125 no tonga nanatrika ity fampiofanana ity izay naneho ny fahavononany amin’ny fampiharana ny fahalalana izay vao noratovina.
Ny tena nahaliana ny mpandray anjara dia ny fampiofanana momba ny fampiasana ny DCP, izay fitaovana manampy amin’ny fanangonana trondro any an-dranomasina mba hanamora ny fanjonoana.
Nandritra ny fampiofanana dia nisy koa ny teknika telo nomen’ny mpampiofana ho an’ny mpanjono sasantsany izay liana ary ny tsirairay amin’izy ireo dia afaka nisafidy ny teknika mety aminy indrindra amin’ny fomba fanjonoana ataony. Araka izany dia nomena toromarika izy ireo mba hanao tatitra amin’ny mpampiofana ao anatin’ny iray volana, mba hahahana manaramaso ny fampiharana ireo teknika ireo sy ny vokatra azo.
Mba ho fampiharana ireo teknika vaovao, nisy mpanjono sasany nahazo “kit de plongée” (fitaovana fitsirihana anaty rano) sy “kit de sécurité en mer” (fitaovana fiarovana eny an-dranomasina). Ireo fitaovana ireo dia manamora ny fanaraha-maso ny fampiasana ny DCP sy ny fiarovana ny mpanjono rehefa miasa any an-dranomasina.
