Anisan’ny ezaka lehibe entin’ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be mba hanohanana ny mpanjono sy hampandroso ny toekarena mifototra amin’ny jono ao amin’ny faritra ny fanomezana fampiofanana azy ireo .Ny faha 18 Septambra 2025 teo no nanomezana ny fampiofanana natokana ho an’ny mpanjono sy ho an’ireo vadin’ny mpanjono tao Nosy Be, Faritra DIANA. Izao no natao dia ny hampiofana azy ireo momba ny fomba fitehirizana sy fikirakirana ny vokatra laoko ankoatra ny fiofanana momba ny fiompiana laoko.Mpiofana miisa 30 no tonga nanatrika ity fiofanana ity, izay natao tao amin’ny Fkt Antanamitarana, Arrondissement Dzamandzar, ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be.
Ny tanjon’ity hetsika ity dia ny hampitombo ny fahaiza-manao sy ny fahalalahan’ireo mpanjono amin’ny fitantanana tsara kokoa ny vokatra azony avy amin’ny ranomasina, mba hahazoana tombony betsaka sy hiantohana ny kalitaon’ny vokatra eny an-tsena. Ankoatra izany, ny fiofanana momba ny fiompiana laoko dia mikendry ny hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny fiompiana trondro
