Notanterahina ny faha 20 Septambra 2025 teo tao Fascene, ao amin’ny Arrondissement Bemanondrobe, Kaominina Ambonivohitra Nosy Be ny fampiofanana manokana momba ny fiompiana trondro, ny fomba famoronana ny RIVA na DCP (Dispositif de Concentration de Poissons), ary ny fomba fikirakirana sy fitehirizana vokatra laoka avy amin’ny ranomasina. Fampiofanana izay notarihin’ny ekipa avy ao amin’ny CirPEB Nosy Be ka efa tafiditra amin’ny andro faha-3 amin’ireo hetsika fiaraha-miasa miaraka amin’ny orinasa « Refrigepeche Ouest », orinasa mpamokatra sy mpanjono makamba ao amin’ny fari-panjonoana A na » Zone A ».
        Nandray anjara tamin’ity fiofanana ity ny mpiofana miisa 87 izay avy ao amin’ny Fkt efatra ao amin’ny faritra, dia ny Fokontany Bemanondrobe, Antafianambitry, Andimakabo, ary Fascene Ampasy. Ny tanjon’ity fiofanana ity dia ny hanomezana fahalalana sy fahaizana vaovao ho an’ny mponina eo an-toerana mba hahafahany manatsara ny fomba fiasa amin’ny fiompiana trondro, mampitombo ny vokatra azo avy amin’ny jono, ary manamafy ny fahaizana mitahiry sy mikarakara tsara ny vokatra an-dranomasina mba hiantohana ny kalitao sy ny faharetany.
        Ny fiaraha-miasa sahala amin’izao dia manome fanantenana ho an’ny fampandrosoana ny sehatra ara-toekarena sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ireo fokontany ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *